<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ny perla madio, ny perla
 vaovao
 No tonga hampanan-karena
 ny very,
 Ny perla madio katsaho izao ;
 Ario ny ota, izay mahavery ;
 Tapaho ny gadra, izay
 mahamay,
 Fa sao ho anjaranao
 mandrakizay.

[V2]
 Ny ota nataonao, ry havana e,
 Miteraka gadra, izay
 mahafaty ;
 Kanefa ny maro miezaka re,
 Hahazo ny voan'ny ota, ka
 maty ;
 Reseo ny ota, reseo izao,
 Katsaho indrindra ny perla
 vaovao

[V3]
 Avia, mpanota, faingàna izao,
 Faingàna ka dia hahazo hijery
 Ny perla madio, ny perla
 vaovao,
 Izay tonga hampanan-karena
 ny very.
 Ry Jeso, Izay perla madio
 vaovao,
 Avia hampanan-karena izao !</lyrics>
<title>Ny perla madio, ny perla vaovao FFPM389</title>
<hymn_number>389</hymn_number>
</song>